Ny SEIMad dia mandray anjara mavitrika amin’ny fampiharana sy fanatanterahana ny politika ankapoben’ny Fanjakana, voafaritra anatin’ny :

  • Politika nasionaly mikasika ny fanajariana ny tany sy ny toeram-ponenana (Politique Nationale de l’Aménagement du Territoire et de l’Habitat)
  • Drafi-panajariana ny Tanàna , indrindra ireo tanan-dehibe eto Madagasikara (Plans d’Urbanisme Directeurs de quelques grandes villes de Madagascar)

Maro ireo mpiara-miasa amin’ny SEIMad, na ny Fanjakana, na ny sehatra tsy miankina, na ny olon-tsotra
Amin’ny ankapobeny dia azo sokajiana ho toa ireto manaraka ireto ny andraikitra sy anton’asa sahanin’ny SEIMad :

I – Mamolavola sy manatontosa tetikasam-panajariana sy fanorenana :

  • Famolavolana tetikasa
  • Fanaraha-maso ny asa
  • Fanatontosana ary famarotana ny vokatra

II – Misolo tena ny tompon’ny asa (Maître d’Ouvrage Délégué)

  • Fandrafetana sy fanitàrana tanàna
  • Fanorenana tanàna vaovao
  • Fandalinana sy fanadihadiana ireo fepetra ahafahana manomboka tetikasa

III – Manajary :

  • Fanampiana ireo rafim-piaraha-monina ifotony amin’ny famolavolana sy fanatanterahana tetikasa ho azy ireo
  • Fandalinana tetikasam-panajariana tanàna : ny endrika, ny lafiny ara-teknika, ny mombamomba ny tany sy ny fananan-tany ary ny fikirakirana ara-barotra
  • Fandrindrana ireo dingana ara-panajariana sy fametrahana ny Zone d’Aménagement Concerté (ZAC)
  • Fanatanterahana ireo asa mifandraika amin’ny fivezivezena ho an’ireo kianja iombonana
  • Fitantanana tetikasam-panajariana

IV – Mikirakira ny fananan-tany :

  • Famolavolana ireo paikadin’ny fananan-tany
  • Fifehezana ny fikirakirana ireo drafitra sy dingana rehetra mahakasika ny fananan-tany
  • Fanomezan-danja ny fizakam-pananana
  • Fitantanana ireo fananana (tany, trano)
  • Fanampariahana ny tanàna

V – Mitantana tetikasa (Project Management)

VI – Mitantana Syndic (Gestion Syndic)