Ny niforonany

Ny taona 1950 no efa nisy ny orinasam-panjakana natao hoe Société Immobilière de Madagascar na SIM. Taty aoriana dia niforona ihany koa ny Société d’Equipement Urbain et Rural de Madagascar na SEURMad.
Ny fitambaran’izy roa ireo no niteraka ny SEIMad, izay nofaritan’ny didim-panjakana laharana 70-087 ny 28 janoary 1970. Taty aoriana dia nitambatra tamin’ny SEIMad ny Office de l’Habitat Economique na OHE.

Horonantsary fanehoana

Ny Sata mifehy ny SEIMad

Ny taona 2005 no niova ho Société Anonyme ary fehezin’ny Lalàna laharana 2003-036 nivoaka ny 30 janoary 2004 ny orinasa SEIMad, nampian’ny fehezan-dalàna laharana 2014-014 tamin’ny 04 septambra 2014 sy ny didy mampanan-kery azy laharana 2015-849 tamin’ny 12 may 2015. Ny SEIMad dia manana renivola mitentina 1.720.000.000 ar.

Ireo rafitra mpiahy ny SEIMad

Fiahiana ara-teknika :

Ministera ny Fanajariana ny Tany sy ny Sampan-draharahan’ny Fananan-tany

Fiahiana ara-bola :

Ministeran’ny Vola sy ny Teti-bola

Rafitra mpanara-maso sy mpanapa-kevitra :

Filankevi-pitantanana

Rafitra mpanatanteraka ombam-panomezam-pahefana :

Tale Jeneraly, Andriamatoa Tiana RASOLONDRABE, nanomboka ny Jolay 2017

Ny isan’ny Mpiasa :

Miisa 70 ireo Mpiasa rehetra manerana ny Nosy

Laharana Fiskaly :

Laharana statistika : 0 1000 2
Rejisitry ny kaomersa : 2002 B7
NIF : 40000 19 372