Toerana : Route Digue, Andohatapenaka, Antananarivo.

Ny « Village Voara » dia tetikasa goavam-be manana tanjona roa samihafa :

  • Aty am-boalohany dia handraisana ny Fivorian-dehibe faha-16 an’ireo tany mampiasa sy miteny ny teny frantsay na ny 16ème Sommet de la Francophonie izay horaisin’i Madagasikara ny volana novambra 2016 ho avy izao
  • Aorian’izay kosa dia natao hamidy sy hampanofaina amin’ireo rehetra mety ho liana amin’izany.

Ny tetikasa dia efa andalam-panatontosàna, amina velaran-tany maherin’ny 7 Ha; ahitana :

  • Trano lehibe misy rihana 10 miisa 3;
  • Trano lehibe misy rihana 7 miisa 1;
  • Trano lehibe misy rihana 5 miisa 1;
  • Toerana malalaka fanaovana fampirantiana sy fihetsiketsehana isan-karazany toy ny foara sns.

Ankoatr’ireo natokana ho toeram-ponenana, ity tanàm-baovao aorina ity dia ahitana ihany koa Trano fandraisam-bahiny lehibe, toeram-pivarotana isan-karazany, toerana fijerena sarimihetsika, toerana fialam-boly samihafa, toerana fanaovana fanatanjahan-tena sy fikolokoloana ny vatana, ary toerana natokana ho an’ny asa tànana malagasy.

Jereo an-tsary

5
5
5
5
5
5
5
5
5
5
5
5
5
5
5
5
5
5
5
5
5
5
6
6

Je suis intéressé(e)